Ambondrombe

Nampidirin'i iaboba | 17 Mar, 2008

Akory aby!

Sarotra be le tag-tag ity fa mbola mieritreritra azy aloh.

Fa ity misy vao2 malaza eto Fianar, nande teny Ambondrombe i Pasteur Mailhol sy ireo mpanaradia azy, de nalefa tamin'ny télé teto an-tanàna ny diandry zareo teny, FINTINIKO: nisy tovolahy izay nitoeran'ny devoly tena mampatahotra be aloh satria refa mihetsika le izy de miova mitrerona be ny fiteniny , manao ratsy tare koa izy ary rehefa anontanian'i Pasteur iz de mamaly, voalazany( ilay devoly io) fa nis nanao pacte taminy hono ny Malagasy ,ka rehefa noroahin'ny Pasteur iz de hamono satria tsy navita mission le olona nifanaiky taminy.Nanotanian'i Pasteur koa le tovola de nilaza fa olona fotsy hono le devoly lava2 orona misarona lamba, tsara tare ary mitarehimboay ny tapany ambany. Mihinjihinjitra be le tovola Tam'ny farany de voaroaka ihany le devoly ary afaka le tovola.Izay ry zareo no vao malaza aty de amindy ao amin'ny hotel soafia ny CD n'io filme io.

Mande resaka ,eto an-tanàna fa ny ahy ny nahafaly ahy de mba nisy Malagasy sahy nampiseho ny zavamisy eto amitsika ,aiza ve ka de vaza foana no mahita mafantatra ny kolontsaina sy ny tantaran'ny razambe ary harena eto amitsika sns...

bye de aza tezeranareo aloh za.IABOBA 

 


13 Hevitra & 0 Verindrohy (trackback) amin\'ny "Ambondrombe"

  1. Tena gravy izany ry iaboba.

    Nampidirin'i schizophrene 17 Mar 2008, 11:08
  2. Tena saritsariny ilay izy fa tsy tena izy! zay zany alay panahy hiteny oe voakarama ireo olona mody misy devoly ireo!

    Nampidirin'i news2dago 17 Mar 2008, 13:01
  3. Dia mihaino ny tohiny ry Iaboba à
    Misaotra amin'ny vaovao

    Nampidirin'i DadaRabe 17 Mar 2008, 13:49
  4. sao de habobo ry iaboba a!

    Nampidirin'i fihogo 17 Mar 2008, 14:54
  5. de tsy fantatra ny marina fa betsaka no nanao hoe filme le iz

    Nampidirin'i iaboba 17 Mar 2008, 15:45
  6. Izaho koa manao an'izany ry news2dago. Voakarama.

    Fa fitaizana moa ny eto.

    Iaboba> tsy misy espace eo alohan'ny marim-piatoana (faingo, teboka, ...), dia misy iray aoriany.

    Nampidirin'i sitlo 17 Mar 2008, 18:08
  7. iaboba > misaotra betsaka tokoa re nilaza vaovao a! Raha ny fahalalàko azy izao dia ianao no mpilaza vaovao voalohany avy any Fianarana any ka dia mankahery e!

    Dia miandry an'ilay sekiré 7 koa fa mba te hahafantatra e :-)

    Nampidirin'i Tokinao 17 Mar 2008, 20:53
  8. fa hono wa less,
    tsy mba azo apetaka @ youtube na daily ve ilay izy en partie, hoe le manala diavoly na otr'zany...

    hevitra ny ahy an :)

    Nampidirin'i simp 17 Mar 2008, 20:59
  9. Simp > endriaho hoe lesy! iaboba ange ka raha ampela e :-).

    Eto tokoa ho'ahy zah dia mba lasa saina e : mety ho tsara be raha mba misy blaogy @ tenim-paritra 100% a! ohatra hoe : fitarona avy any fianarana, fivôlana avy any Diego sns.

    Nampidirin'i Tokinao 18 Mar 2008, 00:01
  10. Ny tena mahagaga amle izy nge ry reto de oe niala tao Ambondrobe hono le devoly de azo itsangatsanganana tsara eny fa site touristique mafinaritra nefa aza manao tratra alina ao sao maita angano ozy pasteur.De tsy azoko oe tena vôrôka marina tao ve le zvtr sa mbola ao iany fa am alina vô miseho?

    Nampidirin'i tiatsiky 18 Mar 2008, 08:21
  11. De zao ko no tena mahagaga sa ve fifanandrifisan-javatra: noroahana le devoly fa izy hono no mitazona ny harenan'ny Malagasy, de vô oe vôrôka le izy nipoitra ny petrole teto Madagasikara afaka kely2 n'iny.
    Tsy azoko tsony e!mba omeo fanazavana rah mba misy maita fa ôtrany manakorontana saim-bahôka fotsiny iny rangah iny?

    Nampidirin'i tiatsiky 18 Mar 2008, 08:25
  12. sitlo,merci am le fampianarana e! ny soa fianatsa ro mahavokatsa hi hi hi.
    Tokinao soa tokoa le hevitsanao oe anao blaogy am teni-paritsa fa ndao mba ifanapiana e!

    Nampidirin'i iaboba 18 Mar 2008, 09:32
  13. iaboba > ka amin'ny fomba akory ary no hanaovana azy e! Iaho moa tsa dia tena avy any fa mianatra ny fomba fitarona fosiny ;-)

    Nampidirin'i Tokinao 20 Mar 2008, 21:55